Eo am-pamaranana ny fandinihana ny Galatiana no hahitantsika ampahany amin’ny fahasembanan'i Paoly sy ny fanazavany momba ny fahateraham-baovao izay mitovy amin'ny fahaterahana ara-batana. Nampianatra i Paoly fa raha nanafaka antsika I Kristy dia tokony hijanona ho olon’afaka isika. Tena lalina ny taratasy kely nosoratan’i Paoly ho an’ny Efesiana. Milaza amintsika i Paoly fa ao amin’I Kristy sy any an-danitra isika dia manana fahafahana mahazo izay rehetra ilaintsika mba hananana fiainana masina araka an’Andriamanitra. Ny olana dia, any amin'ny toerana tsy tokony ho izy no itadiavantsika izany indraindray.