===== كلمات الحياة" ، "الأخبار السارة" ، "ترانيم الإنجيل" - باللغات الرئيسية المستخدمة في جزر القمر" / / "Paroles de Vie", "Bonnes Nouvelles", "Chants Gospel" - Dans les Principales Langues Parlées aux Comores =====

Fivavahana Malagasy sy Hira Fihetsehana.3gp / 3gp.أغنية العبادة والعمل الملغاشي


Listen Later

Culte Malgache et Chanson D'action.3gp / Malagasy Worship and Action Song.3gp //
1 KORINTIANA 15 - Ny amin'ny fitsanganan'ny maty1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan Gr. eklesia'Andriamanitra aho. 10Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
...more
View all episodesView all episodes
Download on the App Store

===== كلمات الحياة" ، "الأخبار السارة" ، "ترانيم الإنجيل" - باللغات الرئيسية المستخدمة في جزر القمر" / / "Paroles de Vie", "Bonnes Nouvelles", "Chants Gospel" - Dans les Principales Langues Parlées aux Comores =====By Comorian Words of Life