Naminany momba ny fahavalo ratsy indrindra teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra i Nahoma. Nandresy sy nanandevo ny firenena rehetra eran-tany tamin’ny fomba feno habibiana tsy hay lazaina ny Fanjakana Asyrianina. Efa nanao fanekem-pihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka nilaza fa hitahy izay mitahy azy, ary hanozona izay manozona azy. Nanao teny fampiononana tamin’i Joda i Nahoma ka niteny hoe: Tsy ho ela dia ho rava i Ninive, renivohitry ny fahavalony. Nampahory ny Asyrianina Andriamanitra ary nanasazy azy ireo noho ny fahotany.