Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté

[HP] THÈME : RAHOVIANA NA REHEFA MANAO AHOANA VAO TOKONY HANAMBADY ? IZA SY IZA IHANY NO MAHAZO MIFANAMBADY ?


Listen Later

Maro bé ny olona mangataka fampianarana sy fanazavana mahakasika io Lohateny Io Ary mametraka karazana fanontaniana mahakasika azy io toy ny hoe :

👉 Firy taona no sahaza manambady na Vao afaka manambady ? Matetika mantsy heno foana ilay hoe efa tokony hanambady , tara loatra na lasa aloha loatra sns ...

👉 Afaka mivady ve ny olondroa tena mifankatia nefa samy hafa finoana mihitsy ? Tsy samihafa dénomination fa samihafa finoana ( kristianina , athées, silamo , traditionalistes, bouddhiste sns ... )

👉 Maninona no vehivavy madio foana no lazaina fa mendrika Alaina vady ? Ahoana izany ireny nisy nanolana ireny ? Ireny mère célibataire ireny ? Ireny Maty vady reny ? Tsy mendrika vadiana intsony vé izany izy ireny ?

👉 Maninona no vehivavy foana no terena hanao virijiny Vao hoe mendrika Alaina vady izany fa nahoana ny lehilahy no tsy mba afaka mitahiry ny tenany ho virijiny fa mandravarava zanak'olona nefa tsy mba asiana Resaka toy ny vehivavy ? Sa ve rehefa vehivavy Dia Fahotana fa rehefa lehilahy Dia Mariky ny hery ?

👉 Maninona no tsy ankasitrahan' ny olona matetika hoe zandrin' vehivavy ny lehilahy ? Manandanja be ve ny elanelan-taona eo amin'ny mpivady ?

👉 Maninona no tsy maintsy hoe samy kristianina foana no tsy maintsy mifanambady rehefa kristianina ny Ray amandreny ? Misy aza raha vao tsy kristianina ao aminy ihany no mifanambady Dia voaroaka tsy ho mpivavaka ao intsony fa nahoana ?

...more
View all episodesView all episodes
Download on the App Store

Podcast RJL : Réflexion | Justice | LibertéBy Page RJL