Nifanena tamin’ny vehivavy samaritana iray teo am-pantsakana i Jesosy ary nanolotra azy rano velona izay hanala ny hetahetany mandrakizay. Nanaiky ny fanasan’I Jesosy izy ka tonga loharanon’ny rano velona. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nateraka indray izy ary naneho tamin’ny hafa ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’I Jesosy Kristy. Nanao fanambarana feno fahasahiana I Jesoa hoe: Izy no Zanak’Andriamanitra, ary ny Soratra Masina dia mijoro ho vavolombelona momba Azy. Nanome safidy ny olona Izy: na ny handà Azy na hino Azy.