Ny Baiboly dia milaza zavatra maro momba ny olona antsoina hoe "ratsy fanahy".
Ao amin'ny Bokin'i Joba ohatra dia ahitana teny toy izao:
« Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe. » (Joba 15:20)
« Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra. » (Joba 18:21)
Inona marina no atao hoe ratsy fanahy? Ary inona no anjara miandry azy any am-parany?
« Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. » (Ohabolana 11:18)
Henoy ny fanazavana rehetra entin'ny mpanompon'Andriamanitra.
Fanazavana fanampiny:
Tsindrio ity raha mahaliana anao ny hamaky ny lesona momba ny olona atao hoe ratsy fanahy sy vetaveta, ary koa ny anjara miandry azy ireo.
Dr. Mamy Raherison, Sekoly Sabata, Fiangonan'Andriamanitra Miray.