Fiangonan'Andriamanitra Miray

Miomana hihaona amin'Andriamanitra


Listen Later

Miomana hihaona amin'Andriamanitra

Jehovah Andriamanitra Ray dia masina ary izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita Azy. 

« Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. » (Hebreo 12:14)

Mila fiomanana ny fihaonana amin'Andriamanitra. Raha isika no fofombadin'i Kristy, inona no fiomanana tsy maintsy hatao mialoha ny hihaonana aminy?

« [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona. » (Eksodosy 19:9)

« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana ho eny amin'ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: » (Eksodosy 19:10)

« ary aoka samy hiomana ho amin'ny andro fahatelo izy; fa amin'ny andro fahatelo no hidinan'i Jehovah ho eo imason'ny olona rehetra eo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay. » (Eksodosy 19:11)

« Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa; » (Eksodosy 19:12)

« tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy. » (Eksodosy 19:13)

« Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. » (Eksodosy 19:14)

« Ary hoy izy tamin'ny olona: Miomàna ianareo ho amin'ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory. » (Eksodosy 19:15)

« Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. » (Eksodosy 19:16)


...more
View all episodesView all episodes
Download on the App Store

Fiangonan'Andriamanitra MirayBy Fiami Radio