Tamin’ny andron’i Daniela, dia i Babylona no renivohitry ny empira natanjaka indrindra nisy. Mpitondra natanjaka sy niavonavona i Nebokadnezara mpanjakany. Iray amin’ireo fahagagana niavaka indrindra ny fiovam-pon’i Nebokadnezara. Tsy niova ho Babyloniana ny Jiosy, fa lasa nino an’Ilay Andriamanitr’i Daniela, Ilay hany Andriamanitra tokana sady Marina. Niaiky i Nebokadnezara fa Andriamanitra no manan-jo hitondra ny fanjakana rehetra eto amin’ity tontolo ity.