Misy amin’ireo teny mafy indrindra nolazain’I Jesosy no hita ao amin’ny Matio 21 rehefa nilaza tamin’ny mpitondra fivavahana Izy fa noho izy ireo tsy mitondra vokatra ho an’ny fanjakana, dia hoesorina aminy ny fahefana ka homena ny olona izay hahavokatra. Nampianatra ny mpianany I Jesosy mba hanana fo manompo, ary hanolo-tena hanaraka Azy na amin’inona na amin’inona. Mbola mihatra amin’ny mpanara-dia Azy ankehitriny io toe-tsaina manompo sy manolo-tena feno io.