Hitantsika ao amin’ny Filazantsara fa Lehilahy nanana iraka I Jesosy, dia asa fanompoana miseho amin’ny endrika telo. Asehon’I Jesosy ao amin’ny Jaona 14:6 ireo endri-panompoana telo ireo: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Ny Filazantsara dia milaza momba ny Fampianarany - dia ny Fahamarinana; Ny asa lehibe nataony, ny fahagagana, ny fanasitranana ary ny fanafahana - ny Fiainana; sy ny fanavotana, ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty, ary ny sorona izay nataony mba hanafaka antsika amin'ny fahotantsika - ny Lalana.