Fiangonan'Andriamanitra Miray

Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonan'Andriamanitra - Fiz. 2 - 2021-07-31


Listen Later

Sekoly Sabata

Kristy no lohan'ny fiangonana, ny fiangonana no tena. Izy no manapaka ny fiangonana. Fanahy iray no nanaovana batisa antsika ho lasa tena iray, dia ny fiangonan'Andriamanitra izany. Ny Fanahy Masina no manao batisa antsika, na manitrika antsika ao anatin'ny tenan'i Kristy - na fiangonan'i Kristy. Ny lalana hahatongavana amin'izany dia:

  • Mino
  • Mibebaka
  • Atao batisa
  • Fametrahan-tanana aorian'ny batisa
  • Mandray ny Fanahy Masina
  • Torontoronin'ny Fanahy Masina
  • Tonga ho momba ny tenan'i Kristy na fiangonan'Andriamanitra
  • Ny hoe manao batisa amin'ny anaran'i Jesosy dia midika hoe manao batisa amin'ny fahefan'i Jesosy Kristy.

    Ny hoe manao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia midika hoe asitrika na ampidirina ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra.

    Rehefa tonga ho momba ny tenan'i Kristy dia manao ny asany, amin'ny alalan'ny fitoriana ny Filazantsara, fametrahan-tanana sy fanasitranana ny marary, fitondrana am-bavaka ny hafa, ary mandroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy Kristy. Ny asan'Andriamanitra dia ny mamahana ny ondrikelin'i Kristy. Izany dia midika hoe mitarika, mitaiza, mampianatra, ary manoro hevitra. Ny Baiboly iray manontolo mihitsy no totkony harahina, izay mirakitra ny didy sy fitsipika ary lalàn'Andriamanitra izany.

    ...more
    View all episodesView all episodes
    Download on the App Store

    Fiangonan'Andriamanitra MirayBy Fiami Radio