Ny lohahevitry ny taratasin’i Paoly voalohany ho an’ny Tesaloniana dia ny Fiverenan’I Jesosy Kristy fanindroany indray. Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny Fiavian’I Jesoa Kristy fanindroany indray dia tsy fisehoan-javatra iray fa andiana tranga maromaro. Ho hitantsika ny fomba nampirisihan’i Paoly ny Tesaloniana ny amin’ny fampiakarana ny fiangonana sy ny fiavian’I Jesosy Kristy Tompo fanindroany. Nanoratra i Paoly fa ny zavatra voalohany hitranga rehefa tonga ny fampiakarana ny fiangonana dia ny maty ao amin’I Kristy aloha no hitsangana.