Ny Apokalypsy dia misy ifandraisany amin'ny zavatra hitranga amin'ny ho avy. Nanana fanambarana i Jaona ary voalaza fa ireo fanaovan-jiro fito dia ireo fiangonana, ary Ilay eo afovoan’ny fanaovan-jiro dia I Kristy. Ny toko fahefatra sy fahadimy dia tena kanto, feno fahamarinana lalina momba ny lanitra. Ny toko fahaenina ka hatramin’ny faha-sivy ambin’ny folo dia mifantoka amin’ny vanim-potoana kely iray maharitra fito taona antsoina hoe Fahoriana Lehibe, izay iray amin’ireo tranga rehetra antsoina hoe ny fiverenan’I Jesosy Kristy fanindroany indray.