Malagasy

Ny Fiavian'ny Mpianatra


Listen Later

Nanafatra ireo mpanara-dia Azy I Jesosy mba ‘hitraka’ hatrany. Toy izany no hahazoantsika mandray ny fitahiam-panahy sy ny soatoavina ara-panahy avy amin’Andriamanitra. Nampiasa matoanteny tsy tapaka I Jesosy ny amin’ny hoe ‘mangataka, mitady, ary mandondòna’, mba hampifanamby ny mpianany hiandrandra tsy tapaka sy amim-paharetana. Rehefa mitady dia mila averimberina ny fangatahana ary mila mazoto mangataka foana. Rehefa mandondòna dia mila averimberina ny fikatsahana ary mila atao mafimafy ny fitadiavana. Nantsoin’I Jesosy hanana fo miredareda ho an’Andriamanitra ny mpianany. Nampanantena Izy fa izay rehetra manontany sy mitady ary mandondòna tahaka izany dia hovaliana. Avy eo, I Jesosy dia namintina ny fampianarany tamin'ny fehezanteny iray hoe: "Ataovy amin'ny hafa izay tianareo hataony aminareo koa." Ity no atao hoe Fitsipika Volamena.
...more
View all episodesView all episodes
Download on the App Store

MalagasyBy Foundations by ICM