Na dia niafina sy natahotra aza i Gideona, dia nasehon’Andriamanitra taminy fa faly Izy mampiasa izay lazaina fa toa farahidiny indrindra, ny malemy indrindra, ary ny olon-tsotra indrindra mba hanao fahagagana, rehefa misy olona toy izany ka manolo-tena hanao izay asain’Andriamanitra ataony. Rehefa miantso anao hanao asa ho Azy Andriamanitra ka manaiky ianao dia zava-dehibe ny mahalala fa Izy no naniraka ka Izy koa no homba anao.