Naminany i Isaia fa mila làlambe iray hidinana ety an-tany Andriamanitra. Io làlambe io dia ny Mesia, Andriamanitra tonga nofo. Nilaza i Isaia fa I Kristy no ho fanehoana tonga lafatra ny Fanahin’Andriamanitra. Rehefa niresaka momba ny asa fanompoany I Jesosy dia nanonona ny faminanian’i Isaia. Tonga hitondra teny soa mahafaly ho an’ny ampahoriana Izy, ary fanasitranana ho an’ny torotoro fo; hitory fanafahana amin'ny babo, sy hanambara fa tonga ny andro ankasitrahan'ny Tompo.