Nanome modely azo ampiharina, ara-pifandraisana sy ara-teolojika momba ny fanambadiana i Petera; Kristy sy ny Fiangonana. Ny olana voalohany amin’ny fanambadiana Kristiana dia ny lehilahy izay tsy handray ny andraikiny amin’ny fikarakarana ny vady aman-janany tahaka ny niahian’I Kristy ny Fiangonana. I Petera dia mampiseho an’I Jesoa Kristy ho Ilay Mpiandry Lehiben’ny Fiangonana. Apetrak’Andriamanitra amin’ny lehilahy ny andraikitry ny fanambadiana sy ny tokantrano. Araho ny modely omen’ny Baiboly amin’ny fifandraisanao rehetra ary avelao Andriamanitra hanefy anao araka ny maha-izy azy anao.