Nalaina sy nampianarina tany amin’ny oniversite Babyloniana i Daniela sy ireo namany telo. Nampiasain’Andriamanitra ny didin’ny mpanjaka mba hametrahana an’i Daniela tany Babylona, hanompo ireo babo hafa tao. Mizara roa ny bokin’i Daniela: fanehoana ara-tantara sy fanambarana ara-paminaniana. Naminany momba ny andro farany i Ezekiela sy Jaona ary Daniela ary mpaminany natao sesitany koa izy ireo. Ny fiainan’i Daniela dia ohatra tsara dia tsara amin’ny fiainana feno faherezana, fahadiovana, fiainana araka an’Andriamanitra eo anivon’ny tontolo feno fankahalana.