Ao amin’ny Testamenta Vaovao isika dia mahita Petera telo samy hafa, nefa lehilahy iray ihany. Ao amin’ny Filazantsara dia atao hoe Simona no anarany, olona tsy mahatombona, mafana sy mangatsiaka ary olona mora mikoropaka, fa Jesosy kosa niantso azy hoe Petera, vatolampy; tao aorian’ny Pentekosta dia mahita an’i Petera izay feno hery isika; farany dia i Petera antitra sy hendry, izay apostolin’ny fanantenana. Te hampahery sy hampionona an’ireo olona ireo amin’ny fahoriany izy. Ny tena fahafantarana an’Andriamanitra amin’ny alalan’I Jesosy Kristy no lohahevitra resahiny.