Voaantso hanompo ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fotoana sy toerana tena sarotra tokoa i Ezekiela. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny vahoakany babo tany Babylona izy. Nanomboka tamin’ny fahitana lehibe momba an’Andriamanitra i Ezekiela; nahita ny voninahitry ny Tompo tokoa izy. I Ezekiela dia nanasongadina ny asan’ny Fanahy Masina, dia ny fanatrehan’Andriamanitra na aiza na aiza misy ny olony. Antsoina hoe apokaliptika ny faminaniany, izay midika fa mitondra antsika ao ambadiky ny voaly izy ireo mba hahitantsika izay tsy hita.