Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.