Ny Epistily kelin’i Joda dia naneho ny ahiahiny momba ny fampianaran’ny mpampianatra sandoka izay manohitra ny finoana an’I Jesoa Kristy, ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Nilaza tamintsika i Joda fa ny mpampianatra sandoka dia toy ny rahona mampanantena orana nefa tsy mamokatra na inona na inona akory. Ny Apokalypsy no boky sarotra takarina indrindra ao amin’ny Baiboly, satria nosoratana tamin’ny fiteny miafina izy io. Nesorin’Andriamanitra ilay voaly ary nomeny an’i Jaona ny fanambarana momba an’I Jesoa Kristy sy ny zavatra ho avy izay tsy ho fantatra raha tsy misy ny fanambarana.