Ny toetra “sambatra na tahiana” dia ny fomba fisainan'ny olona iray izay manatona an'Andriamanitra sy izay nirahin'Andriamanitra ho amin'izao tontolo izao. Manolotra izany amin’ny fanoharana lalina miisa efatra I Jesoa: ny fanasin’ny tany, ny fahazavan’izao tontolo izao, ny tanàna iray eo amin’ny havoana, ary ny jiro eo ambony fanaovan-jiro. Tsy misy mpanara-dia an’I Jesosy afaka manana ireo toe-tsaina rehetra ireo sy manao ny karazana asa andidiany, raha tsy ny Fanahin’Andriamanitra no miasa ao anatiny sy amin’ny alalan’izy ireo.