Fatambary
Download on the App Store

Fatambary episodes

  • Ny Vehivavy Malagasy
    Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara.
    6 min
  • Tahanisa Faharoa
    Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.
    5 min
  • Tahanisa Voalohany
    Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.
    5 min
  • Teny Fanolorana
    Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa i Madagasikara.
    « Vary vokatr’i Betsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony, samy mitazana avokoa ». Koa dia manasa antsika rehetra hiara-hitazana sy hanaraka ity fandaharana vaovao atolotra eto ity.
    4 min

About Fatambary

From the publisher's feed

Podcast sur l'actualité de Madagascar. Fatambary est un ustensile très utilisé sur la Grande Île pour doser le riz, aliment de base des Malagasy. A l'instar de cet ustensile doseur, la chronique…