Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tser... more
FAQs about Soa i Madagasikara:How many episodes does Soa i Madagasikara have?The podcast currently has 73 episodes available.
March 17, 2025Mba fantatrao ve ? - Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidianaNy demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo....more12minPlay
December 01, 2024Mba fantatrao ve ? - Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny KaomininaNy fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy....more14minPlay
June 26, 2024Mba fantatrao ve ? - Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohanyNy repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny antenimierandoholona....more12minPlay
June 02, 2024Mba fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahateloResaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voalohany....more16minPlay
June 02, 2024Akon'i Gasikara - Mafy ny fiainana ao MandritsaraEfa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany....more3minPlay
May 26, 2024Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoaNoho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika....more11minPlay
May 09, 2024Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohanyFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?...more11minPlay
May 04, 2024Akon'i Gasikara - Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazetyAiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra....more4minPlay
May 02, 2024Mba fantatrao ve ? - FanoloranaFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena....more10minPlay
April 22, 2024Fatambary - Ny Vehivavy MalagasyRaha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara....more6minPlay
FAQs about Soa i Madagasikara:How many episodes does Soa i Madagasikara have?The podcast currently has 73 episodes available.