MG : Inona no mitranga amin'ny faniriana/ filana rehefa lasa reny ianao? Ny tena marina dia matetika izy io manjavona, ary tsy misy mampitandrina anao mialoha.
Ity fandaharana ity dia miresaka momba ny fahanginana momba ny firaisana ara-nofo aorian'ny fiterahana, mamakafaka ny zava-drehetra manomboka amin'ny ratra ara-batana sy ara-tsaina vokatry ny fiterahana, ny fiovan'ny hormonina, ka hatramin'ny faharerahana tafahoatra, ny fahatsapana ho meloka, ary ny tsindry mahazo ny reny mba ho vonona foana ara-nofo na dia eo aza ny vesatra mavesatra tsy takatry ny saina zakain'izy ireo.
Hiresaka momba ireo toe-javatra maharary antsika isika: ny vatana izay sasatra sy leo fikasihana, sy ny firaisana izay lasa adidy fotsiny fa tsy fampiraisam-po intsony. Saingy mitondra fanantenana ihany koa ilay resaka satria tsy hoe foana mandrakizay akory ny faniriana/ filana. Miova endrika fotsiny izany. Ary azo atao tsara ny mamerina izany indray.
Na reny vao niteraka ianao, na efa an-taonany maro no nitaiza, na vady miezaka ny hahatakatra, ity fandaharana ity dia hanova ny fomba fijerinao momba ny maha-reny sy ny fifandraisana akaiky eo amin'ny mpivady.
FR : Que devient le désir lorsqu'on devient mère ? La réponse honnête : bien souvent, il disparaît et personne ne vous prévient.
Cet épisode brise le silence sur la sexualité post-partum, en explorant tout : des traumatismes de l'accouchement et des bouleversements hormonaux jusqu'à l'épuisement, la culpabilité et la pression que subissent les mères malgaches pour rester sexuellement disponibles alors qu'elles portent des fardeaux insurmontables.
Nous abordons des vérités douloureuses : la saturation du contact physique, et le sexe qui devient une obligation plutôt qu'un moment de connexion. Mais nous apportons aussi de l'espoir car le désir n'est pas perdu pour toujours. Il se transforme. Et il est possible de se le réapproprier.
Que vous soyez une jeune maman, mère depuis des années, ou un partenaire qui cherche à comprendre, cette conversation changera votre regard sur la maternité et l'intimité.