MG: Amin'ity fizarana voalohany amin'ny lohahevitra vaovao mitondra ny lohateny hoe : “Ankoatry ny vola, inona no hamaritana ny fahombiazan’ny zanantsika?” ity dia horesahana ny famaritan'ny fiarahamonina ny fahombiazana, izay matetika mifototra amin'ny harena ara-materialy sy ny asa.
Nahoana isika no tokony hijery ankoatr'ireo lafin-javatra ireo rehefa mamaritra raha tena "nahomby" tokoa ny zanantsika eo amin'ny fiainana?
Hiditra lalina amin'ny antony mahatonga ny fifantohana amin'ny vola, ny fahefana, sy ny asa izay mety hanakana ny zanatsika tsy hahita ny tena fahasambarana sy fahafaham-po eo amin'ny fiainana isika.
Fotoana izao hanitarana ny fomba fijerintsika ary hanombohana hamaritra indray ny tena fahombiazana ho an'ny taranaka mandimby. Mazotoa mihaino o!
FR : Dans cette première partie de notre nouveau thème intitulé : "Au-delà de l'argent : qu'est-ce qui définit la réussite de nos enfants ?", nous aborderons la définition que donne la société de la réussite, qui est souvent basée sur la richesse matérielle et la carrière professionnelle.
Pourquoi devrions-nous regarder au-delà de ces critères pour évaluer si nos enfants ont véritablement "réussi" leur vie ?
Nous analyserons en profondeur pourquoi se concentrer sur l'argent, le pouvoir et le travail peut empêcher nos enfants de trouver le vrai bonheur et l'épanouissement dans la vie.
Il est temps d'élargir notre vision et de commencer à redéfinir la véritable réussite pour la génération future. Bonne écoute !