MG: Amin’ity fizarana manokana ity dia hamaly ity fanontaniana ity isika hoe nahoana isika vehivavy no mandatsa, mitsara ary koa manome tsiny rehefa misy vehivavy hafa hiaran’ny herisetra ? Na dia manana kolontsain manandratra ny firaisankina sy ny fihavavana ary isika dia hafa ny zava-visy ankehitriny.
Hojerentsika tsirairay ireo antony toy ny fitsipiaka napetraky ny fiaraha-monina izay nisongadina tany amin’ny fahazazana, ka hatramin’ny fifaninanana ara-tsosialy. Hodinihintsika koa hoe ahoana no itarihan’ny tahotra sy ilay fijery fa ara-drariny avokoa ny zavatra rehetra mihatra amintsika , amin’ny alalan’ny fanomezan-tsiny ny niharam-boina , ary farany noho ireo fomba fijery ara-pivavahana izay manome lanja manokana ny fitondran-tenan’ny vehivavy.
Raha mbola manontany tena ianao hoe ahoana no mety hahatonga vehivavy sasany ho mpitsikera mafy ny vehivavy hafa amin’ny toe-javatra izay tokony hiarahana miroso, dia hanome fanazavana mazava sy lalana mivaingana ho amin’ny fanohanana tena izy ity fizarana manokana ity
FR: Dans cet épisode spécial, nous répondrons à cette question : pourquoi nous, les femmes, avons-nous tendance à dénigrer, juger et même blâmer lorsqu'une autre femme est victime de violence ? Bien que nous ayons une culture qui prône la solidarité et l'entraide (le fihavanana), la réalité actuelle est bien différente.
Nous examinerons une à une les causes de ce phénomène, allant des normes imposées par la société et inculquées dès l'enfance, jusqu'à la compétition sociale. Nous analyserons également comment la peur et la croyance selon laquelle tout ce qui nous arrive est mérité conduisent à culpabiliser la victime, et enfin, nous aborderons le poids des conceptions religieuses qui accordent une importance particulière au comportement des femmes.
Si vous vous demandez encore comment certaines femmes peuvent se montrer si dures envers d'autres femmes dans des situations où nous devrions nous serrer les coudes, cet épisode spécial vous apportera des explications claires et des pistes concrètes pour bâtir un véritable soutien mutuel.