Mba fantatrao ve ?
Download on the App Store

Mba fantatrao ve ? episodes

  • Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana
    Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina sy ny tantara malagasy ihany koa. Asongadina ato ny hevitra hananganana rafitra mifototra amin’ny anarana sy fomba malagasy: Fokontany - Firaisam-pokontany - Fivondronam-pokontany - Fireneana. Tanjona ny hanorenana rafitra miorina amin’ny zava-misy sy ilaina ary akaiky ny vahoaka, fa tsy rafitra nalaina tahaka avy any ivelany. Ao anatin’ny fanavaozana, aorian’ny fitsapankevi-bahoaka sy ny fifampidinihana nasionaly, dia andrasana ny fananganana Lalàmpanorenana vaovao. Fanamby lehibe ny hahatonga izany ho taratry ny maha-malagasy, ny kolontsaina, ary ny fomba fijery manokana ny firenentsika. Fanontaniana mipetraka: ho sahy hanorina rafitra tena malagasy ve isika, sa mbola hifikitra amin’ny modely vahiny?
    6 min
  • Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka
    Inona marina no anjara toeran’ny Fokonolona amin’ny fitantanana ny firenena? Ary tokony homena lanja bebe kokoa ve ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe? Ao anatin’ity fizarana “Mba Fantatrao ve ?” ity, mandinika lalina ny toerana tokony hisy ny vahoaka amin’ny rafitra demokratika eto Madagasikara isika. Resahina ny andraikitry ny Fokonolona, izay fototry ny fiarahamonina malagasy, sy ny fomba ahafahan’ny fitsapankevi-bahoaka manamafy ny feon’ny olom-pirenena. Mampametra-panontaniana isika : Ahoana no ahafahan’ny vahoaka mandray anjara marina amin’ny fanapahan-kevitra? Mbola voahaja ve ny hasin’ny Fokonolona ankehitriny? Inona ny anjara toeran’ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny demokrasia tena izy? Fizarana iray hanentana fisainana, hanokatra adihevitra, ary hampahatsiahy fa ny hoavin’i Madagasikara dia miankina amin’ny fandraisan’anjara ataon’ny olom-pirenena tsirairay.
    6 min
  • Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana
    Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo.
    12 min
  • Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny Kaominina
    Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy.
    14 min
  • Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohany
    Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960 Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny antenimierandoholona.
    12 min
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahatelo
    Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voalohany.
    16 min
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoa
    Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika.
    11 min
  • Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohany
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
    11 min
  • Fanolorana
    Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.
    10 min

About Mba fantatrao ve ?

From the publisher's feed

Podcast sur l'éducation civique et citoyenne à Madagascar. Des émissions sans autre ambition que de partager à tous les Malagasy la connaissance de son environnement social, économique, juridique et…