Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Podcast sur l'éducation civique et citoyenne à Madagascar. Des émissions sans autre ambition que de partager à tous les Malagasy la connaissance de son environnement social, économique, juridique et p... more
FAQs about Mba fantatrao ve ?:How many episodes does Mba fantatrao ve ? have?The podcast currently has 7 episodes available.
March 17, 2025Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidianaNy demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany ny olomboafidy dia natao hitsinjo izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka manontolo....more12minPlay
December 01, 2024Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny KaomininaNy fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana ahazoan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ary miantoka ny fanehoana izay fahasamihafana misy eo amin’izy ireo sy ny mampiavaka azy....more14minPlay
June 26, 2024Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohanyNy repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960 Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny antenimierandoholona....more12minPlay
June 25, 2024Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahateloResaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voalohany....more16minPlay
May 26, 2024Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoaNoho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika....more11minPlay
May 09, 2024Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohanyFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?...more11minPlay
May 01, 2024FanoloranaFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena....more10minPlay
FAQs about Mba fantatrao ve ?:How many episodes does Mba fantatrao ve ? have?The podcast currently has 7 episodes available.