Apokalypsy 20: 13. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. [ Gr. Hadesy] Apokalypsy 20: 6. Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. Apokalypsy 21: 2. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.