Ny fanomezana ny Didy Folo dia nanorina ny lalàna izay iorenan'ilay fifanekena taloha. Tamin'ny alàlan'ny fanekena taloha, Andriamanitra dia manana tanjona lehibe ho an'ny Isiraelita fahiny.
Amin’ny maha fanjakana ny olom-boafidy, dia ho mpanjaka izy, hanapaka tanàna betsaka na vitsy, araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lioka 19:16-19; Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Daniela 7:27).
Amin’ny maha mpisorona azy kosa dia ho mpampianatra momba an’Andriamanitra sy ny didiny ary ny Planin’ny Famonjena izy ireo (Malakia 2:7).
1 - Tamin’ny andro Pentekosta voalohany no nahaterahan'ny firenena Isiraely ho an'i Jehovah
Tamin'ny andro Pentekosta, maherin'ny 3.400 taona lasa izay no teraka ny firenen'Israely. Izy ireo dia ho firenena an'Andriamanitra. Te hampiasa ny firenen’Israely Andriamanitra, ho ohatry ny fankatoavana Azy eo imason’izao tontolo izao. Nampanantena azy ireo Andriamanitra fa hahazo fitahiana tsy ambara, nefa azo tsapain-tanana izy ireo raha toa ka hankatò ny Didy Folo.
Izany dia mety hampiseho amin'izao tontolo izao fa ny fanarahana ny lalàn'Andriamanitra dia miteraka fitahiana lehibe. Raha nanao ny tsara ny Zanak’Israely dia mety ho voataona ho amin'ny fiainana lehibe iray manontolo izao tontolo izao. Fantatsika nefa fa tsy nahatanteraka ny anjarany tamin'ny fifanekena ny Zanak’Isiraelita.
Nahoana?
Nampianarin'ny Pastora Herbert W. Armstrong antsika ny antony nahatonga ny tsy fahombiazan’ny. zanak’isiraely.
Firenena ara-nofo izy ireo fa tsy firenena ara-panahy!
Tsy nanana ny Fanahy Masin'Andriamanitra izy ireo; nefa ny lalàn'Andriamanitra dia ara-panahy (Romana 7:14).
Noho izany, tsy nahay nankatò an'Andriamanitra afa-tsy teo am-bava ihany izy ireo. Ary na dia tamin’izany aza, dia tsy nahomby izy ireo!
Tokony ho fantatsika fa ny Isiraely dia natao ho karazana firenena ara-nofo, manambara mialoha izay firenena ara-panahy mbola ho avy! Tamin’ny Soratry ny Lalàna ihanyny fanekena taloha fa tsy tamin’ny Fanahin’ny Lalàna.
Ny fanekena vaovao kosa dia sady tamin’ny Soratra no tamin’ny Fanahin’ny Lalàna. (Lettre de la loi et esprit de la loi).
2 - Tamin’ny andro Pentekosta koa no nahaterahan'ny Fiangonan’Andriamanitra, masina sy marina, ho an'i Jehovah
«Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. » (Asan'ny Apostoly 2:1) « Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany. » (Asan'ny Apostoly 2:41)
Fanazavana fanampiny: Fiomanana hihaona amin'Andriamanitra amin'ny andro Pentekosta. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.