Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tser... more
FAQs about Soa i Madagasikara:How many episodes does Soa i Madagasikara have?The podcast currently has 91 episodes available.
June 02, 2024Akon'i Gasikara - Mafy ny fiainana ao MandritsaraEfa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany....more3minPlay
May 26, 2024Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoaNoho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny hetahetambahoaka sy hanasoa ny farimpianan’ny vahoaka izay nifidy sy nametraka ny fitokisana tamin’izy ireo. Mazava fa olona hampandany ny lalàna hampiharina eto amin’ny firenena no ilaintsika....more11minPlay
May 09, 2024Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohanyFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?...more11minPlay
May 04, 2024Akon'i Gasikara - Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazetyAiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra....more4minPlay
May 02, 2024Mba fantatrao ve ? - FanoloranaFandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena....more10minPlay
April 22, 2024Fatambary - Ny Vehivavy MalagasyRaha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa satria mampiseho ivelany ny hakantony, ny halefahany, ary azo lazaina koa fa maneho ny maha SOA an’i Madagasikara....more6minPlay
April 15, 2024Fatambary - Tanisa FaharoaTohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy....more5minPlay
April 08, 2024Fatambary - Tanisa VoalohanyAmin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto....more5minPlay
April 01, 2024Fatambary - FanoloranaFandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa i Madagasikara. « Vary vokatr’i Betsimitatatra, ka na tompony na tsy tompony, samy mitazana avokoa ». Koa dia manasa antsika rehetra hiara-hitazana sy hanaraka ity fandaharana vaovao atolotra eto ity....more4minPlay
March 29, 2024Akon'i Gasikara - 29 Marsa 1947Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv)....more6minPlay
FAQs about Soa i Madagasikara:How many episodes does Soa i Madagasikara have?The podcast currently has 91 episodes available.