Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Chaîne podcast de la page facebook RJL qui apporte des réflexions en matière de spiritualité.[CA] = Catéchisme d'adulte[HP] = Hono ho'aho pasteur, anciennement "Dinidinika mahasoa", "Tsetsatsetsa ts... more
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 195 episodes available.
March 11, 2022NY AO AMBADIKY NY ADYTSETSATSETSA TSY ARITRA 11 Martsa 2022 :Miainga avy @ fandinihana ny ady misy eo @ UKRAINE sy RUSSIE ary ny ady nisy rehetra hatrizay no hiaingan'ny fifampizarana etoana.Ny tena ADY dia tsy ny daroka baomba sy fifanafihana ara pitaovam-piadiana io.Ao anatin'ny ady tsy maintsy misy FITAKA sy LAINGA afafy afahana manafina ny tena fikendrena ambadika. Ny maro anefa dia variana @ zay zavatra ivelany zany mandrakariva.Koa izay no hanasana anao hanaraka ity video ity hijery lavidavitra kokoa....more26minPlay
March 04, 2022FAHATSARAM-PANAHY SANDOKATSETSATSETSA TSY ARITRA 04 Martsa 2022 :Fizarana faharoa tapany faharoa farany, tohin'ilay lohahevitra t@ eriny mahakasika ny MANIPULATION ihany ity video ity.Faritana bebe kokoa @ zany ny @ ireo olona toa miseho ho tsara fanahy nefa tsy zany velively fa misy fikendrena ambadika izany. Ny fiaraha monina rahateo koa moa mora ambakaina @ fihetsika ety ivelany dia mora roboka.Ny fampisehoana ny ambadiki'zany fahatsaram-panahy sandoka izay no tiana avoitra ato....more17minPlay
February 26, 2022MANIPULATION SY DIABOLISATIONTSETSATSETSA TSY ARITRA 26 Febroary 2022 :Ny fikirakirana sy famadihana ny "Informations" izay marina ho @ fikendrena maloto dia mamadika izany ho lasa "diabolisation" atao @ olona iray izay heverina fa manana "Potentialite".Ity video ity miezaka mamaritra ny fikendren'ny "Diabolisation" io.Manoloana izany dia tsy tokony hitakemotra mihitsy ianao fa tano ny tanjona efa napetrakao eo anoloanao fa azo atao tsara mihitsy miatrika izany. Misy sosokevitra pratika aroso anao @ izany....more24minPlay
February 18, 2022HAFATRA HO AN'NY AO AN-DAPATSETSATSETSA TSY ARITRA 18 FEV 2022 :Manoloana ny toe-draharaha misy eo anivon'ny firenena dia samy manana ny solomaso hamakiany azy ny tsirairay. Ny mibahana dia ny lafiny ara politika daholo izay rehetra mivoaka.Koa ny hataoko eto dia fandinihana @ lafiny antropolojika, miezaka mitondra fanazavana ny fisainan'ny olon tsotra; izay raha tsy voajery manokana dia ahiana ho lasa zavatra tsy voafehy.Koa dia hafatra manokana ho an'ny tompon'andraikitra no hataoko mba hijery indrindra ny lafiny antropolojika ny fiainam-bahoaka, hisoroanareo mialoha ny olana tsy azo an-tsaina....more35minPlay
February 11, 2022NY ALOKY NY LASA VE MAMETRA NY ANKEHITRINY, na HAMARITRA NY HO AVY?TSETSATSETSA TSY ARITRA 18 FEV 2022 :Tsy vitsy ny olona izay lasa voafatotry ny lasany, ka tsy afaka mivelatra sy mandroso noho izany. Ny fiaraha monina rahateo izay, azo lazaina fa ratsy fanahy, dia manao hazakazaka arahin tosika mihitsy koa ho @ izany.Tsy afaka ny hamafa sy ny hikosoka ny lasa tokoa ny olombelona fa ny azony atao dia ny MAMADIKA zany lasany izany ho lasa HERY na "Force" hoentiny mioitra.Raha ny vazaha aza nahateny hoe: "On a le droit à l'erreur" na koa ny hoe "On a le droit à une seconde chance dans la vie" dia toa hiteny izany, fa tsy voatery hametra ny ankehitrinintsika mihitsy zany....more29minPlay
February 04, 2022NY HITA MASO SY NY TSY HITA MASOTSETSATSETSA TSY ARITRA 04 FEV 2022 :Hovelarbelarina @ ity video ity ny fisian'ny atao hoe "Monde Parallèle" izay tsy hita maso nefa misy tokoa. Afaka mifandray tsara anefa ny tontolo hitamaso sy ny tontolo tsy hita maso. Ary hita mazava tsara izany raha ny Soratra Masina fotsiny ihany no resahana.Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony ho an'olombitsy ihany no afaka misitraka izany fa ny rehetra mihitsy araka ny voasoratra ao bokin'i Joela hoe: "Any amparany dia handatsaka ny fanahiko ho @ NOFO REHETRA AHO". Ka voalza fa hisy hahita fahitana, ary misy hanonofy sns...Ny olona tena miaina izany fa tsy mpisandoka dia tsy naniry izany velively ary maniry ny hanaisorana izany aminy aza fa mavesatra aminy izany. Fa ireo mpisandoka kosa dia ireo tia mitantara etsy sy eroa fa mahita an'izao sy zao....more27minPlay
January 28, 2022REVIN-GADRA (L'ILLUSION DE LA PERFECTION)TSETSATSETSA TSY ARITRA 28 JAN 2022 :Mahasarika sy mahasodoka ny maro an'isa ny PERFECTION. Kanefa ny ao ambadiky ny PERFECTION dia sarintsarim-piainana fa tsy tena izy. Oharina @ atao hoe "Prison dorée" izany.Vitsy kosa anefa ny misafidy ny atao hoe "SINCERITE", satria miaina ny tena zava misy marina.Ny mpivoy ny "Perefection" dia manda ny tsy hisian'ny TSY FAHOMBIAZANA mihitsy na ECHEC @ fiainan'ny olona iray. Nefa ny FAHOMBIAZANA na ny "SUCCES" dia efa vokatry ny fitambaran'ny tsy fahombiazana mazo, nafahany manoritra ny lalan-ko aviny....more27minPlay
January 22, 2022GEJA SY FATORANA (ADDICTION)TSETSATSETSA TSY ARITRA 22 JAN 2022 :Ity lohahevitra ity dia lohahevitra nangatahan'ny mparanaka pejy iray.Horesahana ato ny fanazavana azo omena mahatonga ireny "Addictions" ireny.Manoloana izany, betsaka no mamitaka ny olona ho @ fanafahana an'izy ireny. Tsy maintsy mila hery ambony ivelan'ny tena vao afaka @ zany fa tsy afaky ny Méditation, na Yoga, sns.....Tsy az atao koa anefa ny manamora zavatra toy ny hoe vavaka fotsiny dia afaka. Fa mila mandalo ny lalan'ny fahatsapana fa marary tokoa ilay ary mahatsapa fa tsy mahavonjy tena izy....more25minPlay
January 14, 2022MIOVA NY ZAVATRA REHETRATSETSATSETSA TSY ARITRA 14 JAN 2022 :Samy miara mahita isika fa miazakazaka izay tsy izy ny fiovana misy maneran tany hany ka misy fiantraikany @ lafiny moraly sy etika kao izany. Isika dia tsy tokony hianina fotsiny ihany @ fiainana izay mihatra sy miseho fa antsoina koa hanana ny fahafahana mandinika ny zava misy, mba afahana mandray fanapahan kevitra izay hametrahana ny tongotra....more28minPlay
January 07, 2022VINA 1/99TSETSATSETSA TSY ARITRA 07 JAN 2022 :Ny fahitana ny tombana ankapobeany ny tontolon'ny Fiainam-piangonana misy dia hita mazava tsara fa efa tonga eo @ atao hoe pejy vaovao indray.Tsy mamaly ny tinady sy ny andrasan'ny TSIRAIRAY ny tolotra misy fa natao ho an'ny MARO AN'ISA. Hany ka lasa misy voahilika any ivelany ilaysinga na iray miavaka.Koa ny Vina 1/99 izay tiako vohizina mafy @ ity 2022 dia mivoy mafy zao hevi-dehibe izao:ILAOZANA NY 99 MARINA FA NY IRAY NA ILAY SINGA IVELAN'NY RADARN'NY FIANGONANA no himasoana....more26minPlay
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 195 episodes available.