Kristy no lohan'ny fiangonana, ny fiangonana no tena. Izy no manapaka ny fiangonana. Fanahy iray no nanaovana batisa antsika ho lasa tena iray, dia ny fiangonan'Andriamanitra izany. Ny Fanahy Masina no manao batisa antsika, na manitrika antsika ao anatin'ny tenan'i Kristy - na fiangonan'i Kristy. Ny lalana hahatongavana amin'izany dia:
Mino
Mibebaka
Atao batisa
Fametrahan-tanana aorian'ny batisa
Mandray ny Fanahy Masina
Torontoronin'ny Fanahy Masina
Tonga ho momba ny tenan'i Kristy na fiangonan'AndriamanitraNy hoe manao batisa amin'ny anaran'i Jesosy dia midika hoe manao batisa amin'ny fahefan'i Jesosy Kristy.
Ny hoe manao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia midika hoe asitrika na ampidirina ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra.
Rehefa tonga ho momba ny tenan'i Kristy dia manao ny asany, amin'ny alalan'ny fitoriana ny Filazantsara, fametrahan-tanana sy fanasitranana ny marary, fitondrana am-bavaka ny hafa, ary mandroaka devoly amin'ny anaran'i Jesosy Kristy. Ny asan'Andriamanitra dia ny mamahana ny ondrikelin'i Kristy. Izany dia midika hoe mitarika, mitaiza, mampianatra, ary manoro hevitra. Ny Baiboly iray manontolo mihitsy no totkony harahina, izay mirakitra ny didy sy fitsipika ary lalàn'Andriamanitra izany.