Tahaka ny fanomezana sy ny vavaka, ny fifadian-kanina koa dia natao ho an'Andriamanitra fa tsy natao ilàna sitraka amin’ny hafa. Amin’ny sehatra maro samihafa, Andriamanitra dia mamaly araka izay zavatra hitany, mijery ny antony manosika ny fontsika hanome na koa hivavaka. Rehefa manome isika dia sehatra iray handrefesana ny fanoloran-tenantsika amin’Andriamanitra izany, dia toy izany koa ny fifadian-kanina, sehatra iray handrefesana hoe hatraiza ny fanomezantsika lanja ny ara-panahy mihoatra noho ny ara-nofo amin’ny fiainantsika. Maneho ny fahatsoran’ny vavaka ataontsika ihany koa ireny.