Finoana no ambaran’ny bokin’i Josoa iray manontolo, ilay karazana finoana izay mandresy sy mihazona ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olony. Maro amintsika no tsy afaka miaina ny fitahiana ara-panahy izay tian’Andriamanitra horaisintsika, tahaka ny Israelita: ny vavaka, ny Soratra Masina, ny fiombonana, ny fiankohofana – izany rehetra izany dia omen’Andriamanitra ho an’ny mino rehetra. Amin’ny alalan’ny vavaka no hihazonanao ny harena ara-bavaka. Avy amin’ny famakiana, sy ny fahazoana ary ny fampiharana ny Soratra Masina no hihazonanao ny haren-dehibe ao anatiny. Mandrombaka ny fanananao ara-panahy ianao isaky ny mitombo ara-panahy.