Ny Tenin'Andriamanitra dia ahitana boky tononkalo dimy, fantatra koa amin'ny hoe bokin’ny fahendrena na asa soratra: Joba, Salamo, Ohabolana, Mpitoriteny, ary ny Tononkiran’i Solomona. Ao amin’ireo boky ireo, Andriamanitra dia miresaka amin’ny fon’ny olony izay mijaly (Joba), midera (Salamo), miatrika ny fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainana andavanandro (Ohabolana), misalasala (Mpitoriteny), ary maneho ny fifandraisan’ny fanambadiana (Tononkiran’i Solomona). Ny fanirian’Andriamanitra dia ny hiainantsika fiovana miainga avy ao anaty ka mipaka hatraty ivelany.