Naminany i Isaia fa ny Mesia, ilay Mpanavotra nampanantenaina, no hisolo voina ho antsika; ary ny asany dia ny hampahiratra ny jamba, hanafaka ny andevo, ary hanasitrana ny torotoro fo. Naminany momba ny fahafatesany koa i Isaia. Noho ny amin’ny olombelona rehetra izay nivily lalana, tahaka ny ondry very, dia napetrak’Andriamanitra tamin’I Jesosy Kristy ny helotsika, Izy no nitondra ny famaizana noho ny fahotantsika. Nolazain’i Isaia ny namantsihana an’I Jesosy tamin’ny hazo fijaliana an-jatony taonany talohan’ny nitrangan’izany, rehefa nanoratra izy fa ny Mpanompo mijaly dia hatao tsinontsinona, holavina, hampahoriana ary holefonina noho ny fahadisoantsika. Fa ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.