Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Chaîne podcast de la page facebook RJL qui apporte des réflexions en matière de spiritualité.[CA] = Catéchisme d'adulte[HP] = Hono ho'aho pasteur, anciennement "Dinidinika mahasoa", "Tsetsatsetsa ts... more
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 193 episodes available.
January 17, 2025[HP] NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA (Souveraineté) MANOLOANA NY POUVOIR POLITIQUETian'ny mpanao politika loatra ity andinin-tsoratra masina ity ka dradradrainy mandrakariva, izay manao hoe : "Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra."...more1h 4minPlay
January 10, 2025[CA] VISION ANTHROPOLOGIQUE MOMBA NY FAHAFATESANANY FAHAFATESANA (Lohahevitra tsy firesaka firy satria tabous rahateo; kanefa heverinay fa tena mila hidirana mihitsy fa misy CROYANCES lalim-paka izay misy fiantraikany eo amin'ny fifaneraserantsika amin'ny ra fahafatesana mihitsy aza ) . Ny nahazatra antsika hatrizay dia naseho ho OZONA ka tsy mahagaga raha lazaina fa tora bato avy any an-danitra ka toy ny miaina eo ambanin'ny atao hoe épée damoclès mandrakariva raolombelona . Koa ny hitondrana ny fanazavana anio dia amin'ny alalan'ny VISION ANTHROPOLOGIQUE SUR LA MORT. Biby fampitahorana ve izany sa inona ny fahafatesana ? Ary ny lehibe indrindra amin'izany izay mifandray aminy koa dia ny fiheverantsika ny atao hoe OLOMBELONA manoloana izany....more1h 35minPlay
December 27, 2024[HP] HATRAIZA NY TSIPIKA MENA EO AMIN'NY FIAINAM PIRENENA SY NY FIVAVAHANA ?Ity lohahevitra ity dia efa ela no saika hovelarina eto niainga avy amin'ny trangam piaraha monina maro ; kinanjo mifanojo amin'ilay resaka farany nahabe resaka ny maro teo tamin'i filohan'ny FJKM sy solontenam panjakana iray. Koa heveriko fa ilaina ny miditra en profondeur mahakasika ity resaka ity ka tsy hotavela amin'ny tora po politika sy ny tora po pivavahana fotsiny ihany.Les extremes sont toujours dangereux hoy ny fitenenana. Lectures miainga avy amin'ny zava niseho teo amin'ny tantaran'ny reforma no hitondrana ny analyse, nanoloana ny REVOLTE DES PAYSANS....more1h 7minPlay
December 13, 2024[CA] MIARA MAMINDRA AMIN'ANDRIAMANITRA (INTIMITE AVEC DIEU)Lohahevitra maningana azo kilasiana ho mistika izao lohahevitra izao. Miainga avy amin'ny fandinihana ireo tranga maningana voaresaka ao amin'ny Soratra Masina atao hoe HAPAX LEGOMENON. Nandalovan'ny teolojiana fotsiny mantsy ireo hapax ireo kanefa Dia tena IMPORTANT satria matoa io ao dia MISY DIKANY.Izaho manokana dia mahaliana ahy izany , ka nanankinako ny spiritualité-ko. Fifaliana ho ahy ny hizara amintsika azy eto ho an'izay mety ho liana te hanana "qualité de relation" ho amin'ny fifaneraserany akaiky amin'Andriamanitra; izay lazaiko hoe INTIMITÉ DE DIEU....more1h 31minPlay
November 22, 2024[HP] WERAWERA SA VONJY AINA ? IZA NO LAHARAM-PAHAMEHANA, IZAY MAHAFINARITRA NY MASO SA IZAY MAMELONA NY AINA ?Tsy mpahay toekarena akory aho fa olontsotra ihany kanefa tokony ho fatatry ny vahoaka ny zavatra miandry azy eo amin'ny lafiny toekarena araka ny voalazan'ny LOI DE FINANCE 2025 (LFI 2025). Tsy natao ho an'ny économistes irery angamba ny voalaza ao anatin'izany fa natao ho an'ny vahoaka rehetra (toy ny baiboly izay tsy natao ho an'ny teolojiana irery) kanefa toa lasa very anjavony amin'ny resaka teknika izany nefa dia ny vahoaka izay tsy mahalala na inona na inona no hizaka sy hibaby izany. Koa solotenan'ireo vahoaka madinika aho mba niezaka namaky io LFI 2025 io noho izany dia hilaza ny hevitro aho mba ho ren' izy ireo izay tokony ho fatany. Mapametram-panontaniana ihany mantsy ny hiandry antsika miankavy amin'ny 2025 raha arak'io LFI io....more1h 41minPlay
November 01, 2024[HP] NY HO AVIN'NY FIANGONANA ?Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana ankehitriny ka na dia mijoalajoala sy mameno stade sns aza izy ireny dia KIPANTSONA VARAHINA MANENO sisa. Mahatsara zavatra anefa izany fa raha tsy levona ny voambary tsy hahavokatra izy. Mialoha ny hahaterahan'ny zazakely iray dia tsy maintsy mandalo fanaintainana mafy. Eo amin'izay "phase" , izay mihitsy ny fahitako ny zava misy ankehitriny....more1h 43minPlay
October 25, 2024[CA] NY FAHASOAVANA MITAHA AMIN'NY FAHOTANA FOTOTRAFanontaniana miverimberina fametraky ny olona nyhoe : ny fahotana ve lovaina sa mifindra manaranaka ?Raha i Adama sy Eva no nanao ny nataony dia izahay aty afara ve no mizaka ny tsy eran'ny aina ? Mba rariny ve hoe Adama no nanota dia isika no mibaby ny vokany ?Lalim-paka loatra ny fahavoazana mahavoa ny olombelona ka tsy misy lalana hafa ankoatry ny FAHASOAVANA IRERY IHANY....more1h 30minPlay
September 27, 2024[HP] FARASISANA FINOANOAM-POANA TAVELA AO AMIN'NY FIVAVAHANA KRISTIANAMatoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy). Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany indrindra no mbola TENA mampifangaro zavatra izay tena tsy AFAKA NY HIFANGARO mihitsy. Koa eto dia ialanay tsiny mialoha sahady fa na dia œcuménique aza aho dia tsy afaka hi- cautionné zavatra izay TSY AZO EKENA mihitsy. Ary toy izany koa na dia TENA ZANAKY FIFOHAZANA koa aza aho dia tsy afaka ny hangina fotsiny koa amin'ny fombafomba lokoina ho mistery nefa mbola tena fara sisana finoanoam poana....more1h 28minPlay
September 20, 2024[QZ] Questions/Réponses : 20 sept. 20241 - Mety sa tsy mety ny fanaovana jeu de hasard am piangonana ? Resaka tombola ilay izy hanohanana vokatra2 - Kristiana ny tenako ary nanana havana akaiky maty miisa telo tao anatin'ny 20 volana. Ny fanontaniako dia izao :Famindram-pon'A/tra ny tombon'andro sy ny fahasalamana azontsika isan'andro. Ka rehefa ilay mifoha maraina, marary dia maty avy eo ve dia midika fa tapitra @ tsika ny famindram pon'A/tra ?3 - za olona tsy mpivavaka Sady tsy Liana amin'ilay fivavahana saingy nisy vidéo nataonao tato sendra nandalo ny masoko izay nahasarika ahy nahatonga ahy nanaraka ny pejinao . Esoriko izay resaka Jesosy Dia izay mety amiko aloha no raisiko hatreto . Na zany aza Dia manana fanontaniana Kely za hoe raha tena Misy zany Atra zany, raha tena fitiavana tokoa izy, Nahoana no misy olona teraka mahatra, miaina mahatra, Maty mahatra ? Nahoana no asiany n aretina ? Ny fahafatesana ? Ny hiaran'ny tsy rariny ? Angaha tsy azony SAKANANA izany ?...more1h 28minPlay
September 13, 2024[CA] FAHAMAINANA ARA-PANAHY (SECHERESSE SPIRITUELLE) na LES NUITS DE LA FOIMisy fotoana rehefa tena tafalatsaka ao anaty ady sarotra ny olona iray dia tsy mahare tsirony intsony ny fihainoana sy famakiana ny Soratra Masina ary koa tsy mahatonona vavaka intsony fa resy tanteraka. Amin'iny fotoana iny dia mametra-panotaniana ny tenany ny maro manao hoe : tratry ny fihemorana ve aho ? sy hoe VERY VE NY FINOAKO ( J'ai perdu ma foi ) ? Mangony fotsiny ny fanararaotan'ny devoly sy ny famendrofendron'ny mpiara-mivavaka. Io vanimpotoana io no atao hoe : SÉCHERESSE SPIRITUELLE na Ilay lazain'ny teolojiana hoe : LES NUITS DE LA FOI. Mbola misy antenaina ve ny iverenan'ny FINOAKO sa tsia ?...more1h 32minPlay
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 193 episodes available.