Ny Hebreo, ilay sangan'asa mistery, mihoatra noho ny boky hafa rehetra ao amin'ny Baiboly, dia mampifandray ny Testamenta Taloha sy Vaovao. Ny Bokin’ny Hebreo dia manolotra an’I Jesosy Kristy ho Mesia izay nambara mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha, ho Tompo araka ny voaseho ao amin’ny Testamenta Vaovao, Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka izay ho avy indray. Iray amin’ireo lohaheviny ny resaka finoana ary misy teny fototra telo: ny tsara kokoa, minoa ary mitandrema, ireo no mitarika ny fandalinantsika.