Manana ny fiadanan'Andriamanitra tsy tapaka ve ianao? Raha tsy izany, dia tsy tokony hahagaga na handiso fanantenana anao raha tsy mihaona amin’ny fepetran’Andriamanitra ianao. Ao amin’ny Filipiana 4 i Paoly dia mampianatra antsika fepetra roa ambin’ny folo ho an’ny fiadanan’Andriamanitra: Aza manahy, mivavaha amin'ny zavatra rehetra, mieritrereta zavatra tsara, manaova ny marina, mankasitràha, manàna laza tsara amin'ny fahalemem-panahy, manàna faharim-po, maneke ny toe-javatra mitranga aminao, miandrandrà, mifalia ao Aminy, omeo lanja ny faneken’Andriamanitra, ary tonio ao amin’I Kristy ny fonao sy ny sainao.