Ny teny hoe “revelation” na fanambarana, dia teny anglisy ilazana ny teny grika hoe apokalipsy, izay midika hoe fanaisorana voaly. Rehefa mianatra ny amin’ny zavatra ho avy isika, ireo zavatra ara-panahy mbola tsy maintsy ho tanteraka, dia tena mila ny Fanalahidy Lehibe, dia ny Fanahy Masina izany. Andriamanitra Ray dia mampitodika ny ivon’ny fiankohofana any an-danitra hiala amin’ny tenany ho amin’ny Zanany, dia ny Zanak’ondry, izay toa voavono, maneho ny maha-izy Azy sy ny maha Andriamanitra Azy.