Sign up to save your podcastsEmail addressPasswordRegisterOrContinue with GoogleAlready have an account? Log in here.
Chaîne podcast de la page facebook RJL qui apporte des réflexions en matière de spiritualité.[CA] = Catéchisme d'adulte[HP] = Hono ho'aho pasteur, anciennement "Dinidinika mahasoa", "Tsetsatsetsa ts... more
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 195 episodes available.
June 09, 2023[HP] JUDO, KARATÉ, KUNG FU... VS INSÉCURITÉ, IMPUNITÉ : TSY AZOKO INTSONY... FA AHOANA ?Maromaro ny karazana Hay ady misy eto Madagascar Ary manana olobe mahay an'izany isika . Samy milaza azy ho dadany avokoa.Hatreto anefa Dia toa malaza tsy hihinanana ohatry ny vilian-tsahona izany fa arakaraky ny hananana izany no vao maika mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana. Vono atsy, vono olona aroa. Voavely bois rond atsy , votsindrona antsy aroa , voadahalo atsy voaendaka aroa sns ... Ny fiparitahan'ny basy izay natokana ho an'ny mpitandro filaminana manampy trotraka fa manana avokoa na bodo na Adala .Na eny andalana , Na anaty bus na mijanona ao antrano Dia fitaintainana lava no hiainana satria dia na mandeha na mijanona Dia manaloka foana RAFAHAFATESANA .Tsy misy henatra sy tahotra intsony fa andro atoandro be nanahary Dia efa manao ny asa ratsiny ny mpanao ratsy . Tsy mifidy na Zaza amim-behivavy , na antitra na tanora Ary ny tena Loza aza Dia misy lasa fahafinaretan'ny sasany fotsiny ny manapitra ain'olona .Aiza ny tompon'Andraikitra ? Sao de tokony avadika PLAN D'ACTION ny KATA sy ny FAMPISEHOANA HOZATRA ary NY ANARANDRAY MALAZA NOLOVAINA TAMIN'NY KUNG FU fa tsy hajanona ho fampiratiana sy fifampiderena fahaizana fotsiny ? Hilalao ve isika sa hiasa eeee ?Tsy fahafinaretan'ny maso hijery ny fahaizanareo no ilaina fa filaminantsainan'ny Malagasy . SAO MBA DISO CIBLE ?...more47minPlay
June 07, 2023[CA] CONVERTI HOE E?Manana an'i Jesosy HONO ... Fandre matetika ny hoe '' manana an'i Jesosy aho '' , '' nandray an'i Jesosy aho '' sns ...CONSACRÉ sa CON - SACRÉ ?Ahoana no hevitr'izany ?Ny fanoloran-tena ve no fepetra maha OLOMBAOVAO sa ny maha OLOMBAOVAO no mitarika ho amin'ny fanoloran-tena ?Eto no misaraka ny lalantsika SAMY PROTESTANTA... ka aiza no misy anao ?...more1h 17minPlay
May 31, 2023[CA] NY MAHAKASIKA NY FIJOROANA VAVOLOMBELONAMaro be ireo olona mijoro VAVOLOMBELONA ny amin'izay '' naseho '' na '' nataon' Andriamanitra '' azy ireny HONO... Samy milaza izay fisehony (nofy, Fahitana, fahatoranana, sns.), samy manana ny fomba fitantarany (nahita afobe, nahita anjely, nahita paradisa, nahita an'i Jesosy, sns.) Ahoana no hanavahana azy ireny ?Ahoana no hahaizana mizaha toetra ny Fanahy ?...more1h 7minPlay
May 19, 2023[HP] THÈME : RAHOVIANA NA REHEFA MANAO AHOANA VAO TOKONY HANAMBADY ? IZA SY IZA IHANY NO MAHAZO MIFANAMBADY ?Maro bé ny olona mangataka fampianarana sy fanazavana mahakasika io Lohateny Io Ary mametraka karazana fanontaniana mahakasika azy io toy ny hoe : 👉 Firy taona no sahaza manambady na Vao afaka manambady ? Matetika mantsy heno foana ilay hoe efa tokony hanambady , tara loatra na lasa aloha loatra sns ... 👉 Afaka mivady ve ny olondroa tena mifankatia nefa samy hafa finoana mihitsy ? Tsy samihafa dénomination fa samihafa finoana ( kristianina , athées, silamo , traditionalistes, bouddhiste sns ... ) 👉 Maninona no vehivavy madio foana no lazaina fa mendrika Alaina vady ? Ahoana izany ireny nisy nanolana ireny ? Ireny mère célibataire ireny ? Ireny Maty vady reny ? Tsy mendrika vadiana intsony vé izany izy ireny ? 👉 Maninona no vehivavy foana no terena hanao virijiny Vao hoe mendrika Alaina vady izany fa nahoana ny lehilahy no tsy mba afaka mitahiry ny tenany ho virijiny fa mandravarava zanak'olona nefa tsy mba asiana Resaka toy ny vehivavy ? Sa ve rehefa vehivavy Dia Fahotana fa rehefa lehilahy Dia Mariky ny hery ? 👉 Maninona no tsy ankasitrahan' ny olona matetika hoe zandrin' vehivavy ny lehilahy ? Manandanja be ve ny elanelan-taona eo amin'ny mpivady ? 👉 Maninona no tsy maintsy hoe samy kristianina foana no tsy maintsy mifanambady rehefa kristianina ny Ray amandreny ? Misy aza raha vao tsy kristianina ao aminy ihany no mifanambady Dia voaroaka tsy ho mpivavaka ao intsony fa nahoana ?...more2h 1minPlay
May 17, 2023[CA] NY FAHAFOIZANA HO AMIN'NY ASAN' ANDRIAMANITRACATÉCHISME D'ADULTE 17 mai 2023Possible vé hoe misokatra ny poketra fa mihidy ny fo ?Na misokatra ny fo fa mihidy ny poketra ?Ny vola ve mitaky asa sa ny asa no mitaky vola ?Sujet tabou izy ity saingy tsy maintsy ho resahana satria io Resaka vola io dia sady saropady no manahirana ao anatin' ny fiangonana na fikambanana kristianina na amin'ny asan' Andriamanitra ....more1h 25minPlay
May 12, 2023[HP] ADDICTION ET ILLUSION PORNOGRAPHIQUEHONO HOY AHO PASTEUR? (12 mai 2023)Marobe ireo karazana addiction mahazo ny olombelona ary anisany ny addiction amin'ny fijerena porno. Marobe ireo message azo mendrika fitarainana, fanontaniana, fangatahana vahaolana sns... azo taminareo mpanaraka ny pejy mahakasika azy io.Toy izao no sombiny amin'ireo karazam-panontaniana nalefanareo : Mahazo mijery film porno ve ny mpivady ? Fahotana ve ny fijerena porno raha tsy mbola manambady ? Fahotana ve ny mamerina Zavatra hita amin'ny porno amin'ny olontiana na vady ? Maninona no voasarika manao ''masturbation '' raha vao mijery porno ? sns....more1h 22minPlay
May 10, 2023[CA] VOCATION, MINISTÈRE , ANTSOVOCATION, MINISTÈRE , ANTSO : Inona no maha samihafa azy ireo ? Aza afangaro....more1h 43minPlay
April 26, 2023[CA] Mety hilaozan'ny Fanahy Masina ve ny mpino iray ?CATÉCHISME D'ADULTE 26 avril 2023...more1h 6minPlay
April 21, 2023[HP] FAMONOAN-TENA EO AMIN'NY TANORA ( SUICIDE DES ADOS ET DES PRE-ADOS )Miha-mitombo ny TANORA mamono tena ... Ankoatra ny olana aram-pitiavana dia tena misy ny antony hafa izay TSY SAHINTSIKA resahana noho ity farany somary manahirana.Inona no mahatonga izany ? Inona no tokony ho vahaolana ? Iza no tokony tompon ' andraikitra ?...more1h 37minPlay
April 07, 2023RAY O ? NAHOANA NO DIA MAHAFOY AHY IANAO ??Herinandro Masina -- Zoma Masina 7 avril 2023....more35minPlay
FAQs about Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté:How many episodes does Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté have?The podcast currently has 195 episodes available.